๐—”๐—ป๐—ผ๐˜€๐˜†, ๐Ÿฌ๐Ÿด ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿญ I Iray aminโ€™ireo firenena 4 aty aminโ€™ny faritra atsimonโ€™i Afrika izay nanatanterahana ny Tetikโ€™asa TIP TOP i Madagasikara. Ny Tetikโ€™asa TIPTOP izay nitondra paikโ€™ady vaovao niarovana ireo Reny mitondra vohoka aminโ€™ny Tazomoka, aminโ€™ny fanomezana azy ireo fanafody fantatra aminโ€™ny anarana hoe โ€œSPโ€. Ireo mpanentana ara-pahasalamana no miandraikitra ny fizarana io fanafody io.
Raha tsiahivina dia isanโ€™ireo aretina voalohany hanatonanโ€™ny olona ny Tobimpahasalamana fototra eto amintsika ny aretina tazomoka. Ny tazomoka ihany koa no laharana voalohany aminโ€™ireo aretina miteraka fahafatesana eny anivonโ€™ny Hopitalim-panjakana ary ireo zaza latsaky ny 5 taona sy ireo Reny mitondra vohoka no tena lasibatra.
Manoloana izany indrindra dia tsy mitsaha-mikaro-bahaolana ny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombonโ€™antoka aminy JHPIEGO ka nanokana andro iray nifampizarana vokatra sy traikefa taorianโ€™ny fandalinana sy fanaovana tombanโ€™ezaka ny Tetikโ€™asa TIP TOP.
Tanjona manerantany ny hanafoana ny aretina tazomoka hatraminโ€™ny taona 2030, manampahaizana maro no mikaon-doha hanatrarana izany. Raha ho antsika eto Madagasikara manokana dia isanโ€™ireo teboka lehibe ao anatinโ€™ny Velirano fahadimy ary laharaham-pahamehanโ€™ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fanatsarana ny fahasalamanโ€™ny reny sy ny zaza ary mifanindran-dalana aminโ€™izany izao Tetikโ€™asa TIP TOP izay iarahana aminโ€™ny Mpiara-miombonโ€™antoka JHPIEGO izao.
Tafaray izany ny tia sy ny manina ka dia inoana tanteraka fa hisy akony tsara lehibe aminโ€™ny fahasalamam-bahoaka ny vokatrโ€™izao fifampizarana notontosaina androany izao.
Tonga nanokatra taminโ€™ny fomba ofisialy ity fihaonana ity, ny Dr Adolphe RAKOTONANDRASANA, Sekretera Jeneralinโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka izay nisolo-tena anโ€™ Andriamatoa Minisitra Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY. Nanotrona azy taminโ€™izany ireo Tomponandraikitra ara-pahasalamana eny anivonโ€™ny faritra sy distrika izay mbola ahitana trangana tazomoka maro eto amintsika, sy ny solotenanโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka samihafa izay misehatra aminโ€™ny ady aminโ€™ny tazomoka eto Madagasikara.
ย 
SCM/DIRCOM-MSANP