πŸ‘ Vahinin’ny Fandaharana Β« Lazao ny marina Β» tao amin’ny Televisiona Malagasy ny alin’ny Alarobia 14 jolay 2021, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

β­•Nandritra izany no nanambarany fa manaramaso akaiky ny fivoaran’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny valin’ny fanadihadiana farany natao no nahitana fa ny Β« variant sud-africainΒ Β» no misy eto amintsika.

β­•Raha mikasika ny Β« variant Delta Β» indray dia firenena 16 aty Afrika no ahitΓ na azy, nanambara ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis fa vonona ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka raha sanatria ka misy ny fahatafidiran’izany eto amin’ny tany sy ny firenena.

β­•Efa hita ireo lesoka tokony harenina manerana ny faritra rehetra tamin’ny fiatrehana ny Β« 2eme vague Β» sy ireo paikady nahomby tokony hotohizana. Ankoatr’izay, efa voafaritra nandritra io fanaovana ny « bilan covid 2eme vagueΒ Β» io ihany koa ny famaritana ireo fitaovana rehetra ilaina toy ny Β« test Β», fanafody ary indrindra koa ny EPI. Anisan’ny fomba mahomby nampiasaina tamin’izany ny Β« tracing contact Β» hisorohana ny faparitahan’ny aretina manoloana ny tranga voamarina iray.

β­•Raha ny momba ny vaksiny kosa indray, andrasana amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny fatra faharoa amin’ny vaksiny Β« Covishield Β», raha toa ka eo am-pikarakarana kosa ny fahazoana ny vaksiny Β« Johnson & Johnson Β» sy ny fampidirana ny vaksiny Β« Pfizer Β» izay samy tafiditra ao anatin’ny Β« initiative covax Β» ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Eo an-dΓ lam-pandalinana tanteraka ny vaksiny Sinopharm izay vokarin’ny Firenena Sinoa ihany koa ny ANAMEM ankehitriny.

β­•Ankoatra izay, efa nahazo karama avokoa ireo nilatsaka an-tsitra-po niasa teny anivon’ny Β« CTC-19 Β» sy ny Β« hΓ΄tels-hΓ΄pitaux Β». Ny talata lasa teo no nisitraka izany ireo andiany taraiky tamin’ny fikarakarana antontan-taratasy ary efa miomana sahady amin’ny fandoavana ny karama manaraka ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

β­• Raha ny mikasika ny Β« Prime Β» indray dia efa be dia be ireo nahazo izany erak’i Madagasikara, tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa hatrany amin’ny Faritra maro araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra hatrany. Misy ireo Faritra mbola tavela eny na dia ny eto Analamanga aza noho ny fifamadihan’ny anarana izay tsy mifanaraka amin’ny ao anaty Kara-panondro ka niteraka fahatarana tamin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy.

Loharanom-baovao: https://www.facebook.com/LazaonymarinaTVM/videos/346903177051917/