๐Ÿ‘ Vahininโ€™ny Fandaharana ยซ Lazao ny marina ยป tao aminโ€™ny Televisiona Malagasy ny alinโ€™ny Alarobia 14 jolay 2021, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

โญ•Nandritra izany no nanambarany fa manaramaso akaiky ny fivoaran’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka. Ny valinโ€™ny fanadihadiana farany natao no nahitana fa ny ยซ variant sud-africainย ยป no misy eto amintsika.

โญ•Raha mikasika ny ยซ variant Delta ยป indray dia firenena 16 aty Afrika no ahitร na azy, nanambara ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis fa vonona ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka raha sanatria ka misy ny fahatafidiran’izany eto amin’ny tany sy ny firenena.

โญ•Efa hita ireo lesoka tokony harenina manerana ny faritra rehetra tamin’ny fiatrehana ny ยซ 2eme vague ยป sy ireo paikady nahomby tokony hotohizana. Ankoatrโ€™izay, efa voafaritra nandritra io fanaovana ny ยซย bilan covid 2eme vagueย ยป io ihany koa ny famaritana ireo fitaovana rehetra ilaina toy ny ยซ test ยป, fanafody ary indrindra koa ny EPI. Anisan’ny fomba mahomby nampiasaina taminโ€™izany ny ยซ tracing contact ยป hisorohana ny faparitahan’ny aretina manoloana ny tranga voamarina iray.

โญ•Raha ny momba ny vaksiny kosa indray, andrasana amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny fatra faharoa amin’ny vaksiny ยซ Covishield ยป, raha toa ka eo am-pikarakarana kosa ny fahazoana ny vaksiny ยซ Johnson & Johnson ยป sy ny fampidirana ny vaksiny ยซ Pfizer ยป izay samy tafiditra ao anatin’ny ยซ initiative covax ยป ny Fitondram-panjakana malagasy aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka. Eo an-dร lam-pandalinana tanteraka ny vaksiny Sinopharm izay vokarin’ny Firenena Sinoa ihany koa ny ANAMEM ankehitriny.

โญ•Ankoatra izay, efa nahazo karama avokoa ireo nilatsaka an-tsitra-po niasa teny anivon’ny ยซ CTC-19 ยป sy ny ยซ hรดtels-hรดpitaux ยป. Ny talata lasa teo no nisitraka izany ireo andiany taraiky tamin’ny fikarakarana antontan-taratasy ary efa miomana sahady aminโ€™ny fandoavana ny karama manaraka ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka.

โญ• Raha ny mikasika ny ยซ Prime ยป indray dia efa be dia be ireo nahazo izany erak’i Madagasikara, tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa hatrany amin’ny Faritra maro araka ny nambaranโ€™ Andriamatoa Minisitra hatrany. Misy ireo Faritra mbola tavela eny na dia ny eto Analamanga aza noho ny fifamadihan’ny anarana izay tsy mifanaraka amin’ny ao anaty Kara-panondro ka niteraka fahatarana tamin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy.

Loharanom-baovao: https://www.facebook.com/LazaonymarinaTVM/videos/346903177051917/