Β« Genexpert Β» 30 isa miaraka aminβny Β« rΓ©actif Β» no ho aparitaka any aminβny distrika; Β« tunnel de dΓ©sinfection Β» 10 ho apetraka eny seranam-piaramanidina aminβny Faritra izay manana izany.
Tsy manao ambanin-javatra ny fahasalamam-bahoaka ary manaramaso akaiky ny fivoaranβny valanaretina covid-19 eto amintsika araka izany ny Fitondram-panjakana ankehitriny aminβny alalanβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiaramiombonantoka aminy izay ahitana ny Β« Banque Mondiale Β».
Tohizana ny ezaka. Na dia hita taratra aza ny fihenanβny olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 dia tohizana hatrany ny ezaka efa natomboka araka ny toromarika avy aminβ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ho fanatanterahana ny velirano fahadimy. Ny fitiliana mialoha ireo tranga mampiahiahy tokoa mantsy no anisanβny fomba iray hanapahana ny rojom-pifindrana; izany hoe hisorohana ny fiparitahanβny valanaretina sy handraisana ara-potoana ireo izay mitondra ny tsimokaretina.
Genexpert miisa 20 mbola ho avy.Β Tsara ny mampahafantatra fa mahatratra 50 ireo Β« Genexpert Β» nafarana miaraka aminβny Β« rΓ©actif Β» 61.300 isa izay hoentina hitiliana ny Β« coronavirus Β», mbola misy 20 isa araka izany ireo Β« Genexpert Β» mbola ho avy raha ny nambaranβ andriamatoa MAHAVITARA Sylvestre, Tomponandraikitry ny tsenambaro-panjakana eo anivonβny UCP ny Alatsinainy 19 jolay 2021 lasa teo teny aminβny toerana fitahirizanβ entanβny UCP Ambohimiandra.