𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗱𝗮𝗵𝘆, 𝟬𝟳 𝗱𝗲𝘀𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟭 | Araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra nandritra ny fihaonan’ny Mpikamban’ny Governemanta sy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara ny herinandro lasa teo teny amin’ny CCI Ivato dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana haingana ny velirano fahadimin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, « Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ».
Io maraina io dia tonga nanao fitsidihana ombam-panajana an’ Andriamatoa Minisitra Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY teto amin’ny Birao fiasany, Andriamatoa Naina ANDRIANTSITOHAINA, Ben’ny Tananan’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra.
Nahavelom-bolo ny fihaonana ary samy naneho ny fahavononany amin’ny Fiaraha-miasa ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka ny roa tonta.
SCM/DIRCOM-MSANP