Anaty veliranon’ny Filoham-pirenena ny hananana rafi-pahasalamana matanjaka sy akaiky ny vahoaka. Nitondra ny anjara birikiny amin’izany ny Fikambanana « Aurar » avy ao amin’ny nosy rahavavy La Réunion, izay nanolotra « générateur de dialyse » na milina fanadiovana rà miisa 18, sy ireo kojakoja ary akora manaraka izany. Nandray izany ara-pomba ofisialy teny an’efitrano lehiben’ny HJRA ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, ary nanambara izy tamin’izany ny maha zava-dehibe ireo fanolorona ireo ho an’ny vahoaka. Ho tsinjaraina ho an’ny HJRA, CHU Befelatanana, ary CHU Analankinina ireo fitaovana ireo mba ahafahan’ny vahoaka misitrika izany.

—————

Don de générateur de dialyse

Un système de santé fort et proche du peuple figure parmi les priorités du President de la République. C’est dans ce sens que s’inscrit cette dotation de 18 générateurs de dialyse ainsi que des consommables médicaux , de la part de l’Association « Aurar ». Le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, a reçu officiellement ces dons au sein de la grande salle de l’HJRA, et n’a pas manqué de souligner l’importance de ces matériels pour les établissements bénéficiaires, et surtout le pour le peuple. L’ HJRA , le CHU Befelatanana ainsi que le CHU Analankinina se répartissent les dotations.