Valanaretina coronavirus : nahitana fidinany ireo tranga tao anatin’ny telo andro

« Mifanaraka tsara amin’ny ady natao tamin’ny coronavirus ny vokatra azontsika. Nahomby ireo paikady rehetra napetraka ary voafehy ny aretina na dia mbola ao anatin’ny ady tanteraka aza isika ankehitriny » hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis androany 9 febroary. Tsiahivina fa nanao ezaka goavana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka talohan’ny fety hampidinana tamin’ny alàlan’ny ady samihafa ny isan’ny trangana coronavirus. Nahitana fiakarany ihany anefa ireo trangana covid-19 ireo taorian’ny fety. Tsikaritra kosa tao anatin’ny telo andro lasa fa efa nahitana fihenana be izany. « Mijery akaiky ny fahasalaman’ny vahoaka ny fitondram-panjakana ary manao ny ainy tsy ho zavatra ahazoan’ny vahoaka fahasalamana » hoy hatrany Andriamatoa Ministra. Nanentana manokana ny Mpiasan’ny fahasalamana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny foibe sy ny faritra ny tenany amin’ity ady iombonana ity ary indrindra indrindra ny isam-batan’olona hijoro sy hanaja ary hampanaja ireo fepetra sakana rehetra. Koa satria mampirongatra ireo karazana « virus » ny vanim-potoana ririnina dia efa miomana ny Ministera ka mametraka paikady vaovao hiatrehana izany.

 

Covid-19 : une importante régression des cas positifs ces trois derniers jours

 

« Les stratégies adoptées pour lutter contre le coronavirus sont efficaces. La pandémie de covid-19 est actuellement maîtrisée même si nous sommes encore en pleine lutte » a affirmé le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis ce 9 février 2021 dans les locaux de son Département. Rappelons qu’avant les fêtes de fin d’année, le Ministère de la Santé Publique a multiplié ses efforts afin de diminuer le nombre de cas positifs au coronavirus. Toutefois, les contaminations ont accéléré après les fêtes de fin d’années ; mais une nette régression des cas a été constatée ces trois derniers jours. « Le gouvernement se préoccupe du bien-être de la population malagasy et priorise l’amélioration du système de santé à Madagascar » a-t-il martelé. Il a incité tout le personnel de santé, les différents responsables au niveau central et régional et surtout tout un chacun à œuvrer ensemble dans cette lutte contre le coronavirus et à respecter et faire respecter les gestes barrières. Le Département ministériel en charge de la santé publique met actuellement en place de nouvelles politiques pour faire face à cette pandémie durant la saison d’hiver