⭕ Vaindohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fiarovana ny vahoaka manoloana ny valan’aretina.
⭕ Anisan’ireo paik’ady azo antoka entina miatrika izany fanaovam-baksiny manampy ny fanajana ireo fepetra sakana sy ny fampiasana ny CVO Tambavy sy CVO+.
⭕ Taorian’ny fakan-kevitra tamin’ny « Académie Nationale de Médecine de Madagascar – ANAMEM » dia tapaka fa vaksiny iadiana amin’ny COVID -19 karazany efatra no nosafidian’i Madagasikara dia ny Vaksiny ASTRAZENECA, JANSSEN, SINOPHARM ary PFIZER.
⭕ Noraisina tamin’ny fomba ôfisialy androany 25 novambra 2021 teny amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato ny vaksiny PFIZER 398.970 Fatra avy amin’ny Governemanta Amerikanina, tamin’ny alalan’ny Mekanisma COVAX.
Isika rehetra miara-mandresy ny Covid-19
Tongava manao vaksiny, entano ny manodidina.
SCM/DIRCOM-MSANP