⭕ Tonga nanao fitsidihana ombam-panajàna an’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo teto amin’ny Birao fiasany Ambohidahy androany tolakandro, ny Masoivohon’ny Firenena Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, SEM Christophe Bouchard.
⭕ Nodinihina nandritra izany ny fiaraha-miasa amin’ny Firenena Frantsay sy fanampiana amin’ny lafiny Fahasalamana.
Ohatra amin’izany ny fanarahamaso sy fitiliana ny areti-mifindra eto amin’ny Ranomasimbe Indianina, nojerena ihany koa ny fanatsarana ny fiaraha-miasa hahazoana vokatra tsaratsara kokoa ho an’ny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP