

Araka ny narahantsika mivantana teto aminโny pejy dia notokananโ Andriamatoa Filohanโny Repoblika Andry RAJOELINA omaly 11 desambra 2021 ny CSB II Manarapenitra Antsirabe Avaratra.
โ ๐ก๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ ๐๐ฟ๐ฎ๐๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐๐๐ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ป๐ถ๐ฒ ๐ธ๐ฎ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐ณ๐ฎ ๐บ๐ถ๐ฑ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐ฒ๐๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ถ๐๐ ๐๐ฆ๐ ๐๐ ๐ถ๐๐ ๐ฑ๐ถ๐ฎ ๐ต๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ผ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐๐ผ๐ธ๐ผ๐ฎ, ๐ป๐ ๐ฅ๐ฒ๐ป๐ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ ๐บ๐ถ๐๐ผ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ต๐ผ๐ธ๐ฎ ๐ธ๐ฎ ๐ต๐ถ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐ฒ๐๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ถ๐๐ ๐๐ผ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ ๐ฑ๐ถ๐ฎ ๐ต๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ผ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ผ๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ, ๐ต๐ผ ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐ผ๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป-๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ธโ๐ถ๐๐ ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ โ hoy Andriamatoa Filohan’ny Repoblika raha nitso-drano ity CSB II vaovao ity, izay iray aminโireo CSB II Manarapenitra miisa 7 naorina ao aminโny Faritra Vakinankaratra.

Aminโny maha CSB II azy izay, dia maro ireo tolotra ara-pahasalamana azonโny vahoaka sitrahana ao, toy ny tolotra fitsaboana ankapobeny, fanaraha-maso ny fahasalamanโny Reny sy ny zaza, fampiterahana, fandrindrana fiainam-pianakaviana, fanaovam-baksiny, ary torohevitra ara-pahasalamana samihafa.

Nambarany ihany koa nandritra ny Kabary izay nataony nanoloana ireo vahoaka izay tonga nanome voninahitra ny lanonam-pitokanana fa โ๐บ๐ฎ๐ถ๐บ๐ฎ๐ถ๐บ๐ฝ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ, ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐๐ฎ๐ฏ๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐๐ฎ ๐น๐ฎ๐๐๐ฎ๐ธ๐ ๐ป๐ ๐ฑ ๐๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ, ๐๐ ๐ป๐ ๐ฅ๐ฒ๐ป๐ ๐ฏ๐ฒ๐๐ผ๐ต๐ผ๐ธ๐ฎ, ๐บ๐ถ๐๐ฎ๐ถ๐๐ฎ ๐ธ๐ฒ๐น๐ ๐ฎ๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฒ๐ผ ๐ฎ๐ป๐ถ๐๐ผ๐ปโ๐ถ๐ผ ๐ง๐ผ๐ฏ๐ถ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ผ๐๐ผ๐๐ฟ๐ฎ ๐ถ๐ผโ.

Fokontany miisa 06 izay ahitana mponina manodidina ny 31.469 no hahazo tombotsoa ara-pahasalamana mivantana noho ny fahavitanโizao CSB II vaovao izao, izay ahitana efitra 7 sy fandriana miisa 7. Efa vonona ireo mpiasanโny fahasalamana hiasa ao an-toerana koa manasa antsika vahoaka ho tonga maro hisitraka ny fisianโizao Tobimpahasalamana vaovao izao.

Nisaotra anโ Andriamatoa Filohanโ ny Repoblika, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka raha nandray fitenenana noho ny fanaovany ho zava-dehibe ny Fahasalamam-bahoaka ary nanome toky ny tenany fa hiezaka ny mpiasanโny fahasalamana hikajy tsara ny fananana iombonana mba haharitra araka ny niheverana azy.

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny velirano fahadimy manerana ny toerana maro eto aminโny Nosy ary tsy hisy distrika ho adino na dia iray aza, araka ny nambaranโ Andriamatoa Filohanโny Repoblika Andry RAJOELINA hatrany.