Manomboka amiko ny fandraisana andraikitra hanafoanana ny Tazomoka.

Io no lohahevitra ny fankalazana ny Andro manerantany iadiana amin’ny Tazomoka tamin’ity taona ity raha “Ankohonana salama sy vita vaksiny, antoky ny fampandrosoana ny firenena” kosa ny lohahevitra ny fankalazana ny herinandron’ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ary ny herinandro ho an’ny Vaksiny.

Noho izany, lanonana telo sosona no noraisin’ny Distrikan’I Ambanja, Faritra Diana androany satria teto no nankalazana ny Andro manerantany iadiana amin’ny Tazomoka sy ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Herinandron’ ny Fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ary ny Herinandro Afrikana ho an’ny vaksiny.

Ireo hetsika telo ireo dia natao mba ho fanatsarana ny fahasalamana ho an’ny daholobe sy ho fampihenana haingana ny taham-pahafatesan’ny Reny sy ny Zaza.

Isaorana manokana etoana ireto Mpiaramiombonantoka ireto: USAID, IMPACT, MAHEFA MIARAKA, PSI, CDC, ACCESS, JHPIEGO, MSH, ROLL BACK MALARIA, GAVI, JSI, OMS, UNICEF, UNFPA, COOPÉRATION CANADIENNE…

Koa manentana antsika tsirairay hatory anaty lay misy odimoka, hitondra ny zanatsika hatao vaksiny ary hanatona tobimpahasalamana haingana raha misy tranga mampiahiahy.