Niray fo sy saina tamin’ireo Mpiasan’ny Fahasalamana marobe manerana ny Nosy ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ka nanatanteraka ny anjarany tao amin’ny #CSB_2_AMPASANIMALO androany 27 Aprily 2019.

Nodiovina ny anatiny sy ny faritra ivelan’ny CSB2, nohajariana ny zaridaina, nasiana fanavaozana ny « plaque » famantarana.


Toeram-pitsaboana madio sy milamina tokoa no tanjona iraisana, hitondra filaminan-tsaina sy fahasalamana ho an’ireo mpisitraka eny ifotony sy ireo mpiasan’ny fahasalamana misehatra ao an-toerana.

Isaorana isika rehetra tsy ankanavaka izay tonga maro nanatanteraka ity hetsika androany ity.