Nifantoka tamin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo tany atsimo sy ny ady amin’ny valanaretina kitrotro ny tatitra nataon’ Andriamatoa Filoha.

Zaza Malagasy miisa 7 185 002 no vita vaksiny miaro amin’ny aretina kitrotro, ary nohamafisina fa maimaimpoana ny fandraisana an-tànana ireo marary.

Hisy ihany koa ny fananganana sy fampitaovana fotodrafitrasa ara-pahasalamana manara-penitra.