Fitsidihan’ny Masoivohon’ny Firenena Indiana: dinika mikasika ny tetikasa ho fanatsarana ny tontolon’ny fitsaboana

Nanao fitsidihana ombam-panajana ny Ministra ny Fahasalamam-bahoaka, Prof Julio RAKOTONIRINA ny Masoivohon’ny Firenena Indiana, Abhay KUMAR, izay miasa sy monina eto amintsika sy ireo mpiara-dia aminy.

Tsara ny fifandraisantsika amin’ny firenena Indiana, manaporofo izany ireo endrika fiarahamiasa isan-karazany eo amin’ny sehatra ny fahasalamana.
Zava-dehibe no nodinihina nandritra ny fihaonana ka tsy ho ela ny hisian’ny fanaovan-tsonia-pifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta.

Tapaka fa hanolotra “machine de radiothérapie” ho an’I Madagasikara ny firenena Indiana ho fanatsarana ny fandraisana an-tànana ny aretina homamiadana, ary tsy ho ela ny hanolorana izany amin’ny fomba ofisialy. Ankoatra izany, nodinihina ny fiarahamiasa mahakasika fananganana fotodrafitrasa handraisana an-tànana ireo aretina tsy maintsy tsaboina any ivelany, toy ny aretina mpahazo ny voa.

Antenaina araka izany aorian’ izao fihaonana izao, ny hisian’ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo hopitaly lehibe eto Madagasikara sy ny any an-toerana ahazoana manangana Tobimpahasalamana manaraka ny teknolojia avo lenta.
Tanjona amin’ izany ny tsy handefasana intsony marary hitsabo tena any ivelany ho fitsinjovana ny Malagasy manoloana ny olana ara-bola sy ny maro hafa.