Fahasalamana isam-batan’olona, indrindra fa ho an’ny zaza amam-behivavy; izay no foto-kevitra noentina hanaparitahana ireto « Moto » miisa 77 ireto ho an’ny Faritra itasy. Notsinjaraina manerana ireo CSB ao anatin’ity Faritra ity izany, mba ho entina hanatrarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny. Afaka olana manomboka eto ny any amin’ireo toerana izay lazaina ho saro-dalana satria ny mpiasan’ny fahasalamana mihitsy no midina mamonjy ny isan-tokatrano hanatanteraka ny asa izay hapanirahana azy na fanaovam-baksiny izany na vonjy aina na ihany koa fanentanana,…
Tanteraka izao fanomezana goavana izao vokatra ny fiaraha-miasa amin’ilay tetik’asa antsoina hoe FAFI na ilay antsoina hoe Fanjariantsakafo sy Fahasalamana Ifotony.
Tany amin’ny Kaomina Sarobaratra Ifanja, Distrikan’ny Miarinarivo no nanatanterahana ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy izao fitaovana raitra izao, izay notarihan’ny Filoham-pirenena Malagasy Andry RAJOELINA ary teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.