Ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka, mitohy hatrany ny fampitaovana sy ny fanavaozana ireo fitaovana enti-mitsabo eny anivon’ireo Tobimpahasalamana manerana an’i Madagasikara.
Notoloran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny DHRD, fitaovam-pitarafana (Appareil radiologique, appareil échographique) ary matelas miisa 20 ny CHRR Maintirano.
Ho avy tsy ho ela ihany koa ireo anjaran’ny CHRD Antsalova , CHRD Besalampy, CHRD Ambatomainty, CHRD Morafenobe.