Tanaty firahalahiana tanteraka no nanatontosana ny famindram-pahefana teo amin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka teo aloha, Pr Julio RAKOTONIRINA sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka vaovao, Pr Ahmad Ahmad. Tonga maro nanatrika izany androany teo Ambohidahy ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fahasalambahoaka.

Taorian’ny fifanaovan-tsonia, dia mbola namerina ny fisaorana feno ho an’ireo mpiaramiasa taminy i Pr Julio RAKOTONIRINA nandritr’izay 12 volana nitantanany ny Minisitera izay, ary nitsodrano ny mpandimby azy izy ny amin’ny andraikitra goavana izay ho sahaniny.

« Asa fanamby goavana ny fanatsaràna ny Fahasalamam-bahoaka, mila mifamela ao anaty fifanajana, ary aoka tsy hisy hanao rano alohan’ny zinga ny lehibeny, hisalovana ny andraikitry ny hafa, fa samy manana ny anjarany hampandrosoana ny fahasalamamam-bahoaka amin’ny asantsika tsirairay avy », hoy Ny Pr Ahmad Ahmad, Minisitra vaovao, rehefa avy niarahaba nahatratra ny taona ireo mpanatrika. Naneho fankasitrahana ny Minisitra teo aloha tamin’ny asa efa vita, ary nametraka fisaorana ho an’ny Filohampirenena sy ny Praiminisitra izay nametraka fitokisana taminy izy.