Isany vaindohan-draharaha eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Fitsaboana Manandratra ny Maha Olona na « Humanisations des Soins », isan’ireo dingana hahatratrarana izany ny fanatsarana ny fandraisana sy ireo tolotra ara-pitsaboana eny anivon’ireo Hopitalim-panjakana.

Nofanina ho amin’izany ary ireo mpiasan’ny Fahasalamana ao amin’ny Faritra Ihorombe, dia ireo avy ao amin’ny CHRDD,SDSP,DRSP Ihosy sy ny avy ao amin’ny CHRD sy CSB2 Ranohira, nanomboka ny 25 Febroary 2020.

Ny mpampiofana moa dia ireo avy amin’ny Direction Générale de Fournitures de Soins (SARFC -SMQSH) sy ny Direction des Hopitaux des Régions et des Districts.

Tonga nanokatra izany fiofanana izany ny Talem-Paritrin’ny Fahasalamana ao Ihorombe.