Efa maro ireo olona notazomina tao amin’ny quarantaine no efa vita test TDR ary négatif dia nomena attestation milaza ny maha-négatif azy ireo ary efa miverina any fiaraha-monina izy sy ny fianakaviany.
Fa amin’izao fotoana izao dia 18 no mbola ahihiana ary efa nandefasana test dia andrasana ny valiny hatramin’izao.

Marihina manokana eto fa RAHA SANATRIA MISY POSITIF DIA NY PRESIDENT NA ILAY PROFESSEUR MPILAZA VAOVAO AMIN’NY TELE INY IRERY IHANY NO MAHAZO ALALANA HANAMBARA NY VALIN’NY POSITIF FA TSY MISY HAFA AFAKA MANAMBARA IZANY.

DIKAN’IZANY, matoa mbola tsy nanambara aloha ireny olona ireny dia MBOLA TSY MISY NY CAS CONFIRMÉ FA POSITIF. Dia mbola aza miroaroa saina aloha isika rehetra fa MILA MITANDRINA kosa, manaja ny fanazavana nataon’Atoa governora, manaja ilay fiarovanasy fisorohana rehetra manoloana ity coronavirus ity.
Fa raha teo amboalohany ka hatramin’izao dia olona 100 no narahantsika maso dia amin’izao fotoana izao, taorian’ny nanaovana test, dia 18 sisa. Amin’ireo 18 ireo, misy ny nandefasana prélèvement nalefa tany amin’ny institut pasteur, andrasantsika ny valiny. Ny sasany mbola miandry faha-14 andro anarantsika maso ny fahasalamany dia aorian’izay isika mahafantatra ny valin’ny fitiliana natao azy ireo. Dia eo indray isika mahita hoe afaka liberevantsika izy sa misy situation hafa mitranga.
Marihiko etoana manokana fa ireo 5 nalefatsika any amin’ny Institut pasteur dia efa nivaly NEGATIF avokoa ary efa nahazo attestation manamarina izay avokoa ireo olona natao prélèvement ary efa mivoaka amin’ny fiaraha-monina avokoa.