Araka ny fanambarana nataon’ Andriamatoa Filoham-pirenena dia nanomboka ny 07 Aprily 2020 ka hatramin’ny Alakamisy 09 Aprily 2020 ny fotoana ahafahan’ireo olona nahavita fihibohana mamonjy ny toeram-piaviany.

Am-perinasa tanteraka amin’izao fotoana izao ireo mpiasan’ny fahasalamana , eny anivon’ireo Tobimpiantsonana, toy ny eny Andohatapenaka, fasan’ny karana ary Ambodivona. Andraikitr’izy ireo amin’izany ny :
1) Manamarina ny anarana sy fanampiny ao anaty « MANIFOLD », mijery ny adiresy feno sy mazava, ny laharana finday, ary ny CSB hoantonin’izy ireo vao tonga any amin’ny toerana halehany.
2-Manao sonia sy maka sary ny « MANIFOLD ».
3-Mizara ireo « Gel hydroalcoolique » isaky ny fiara.
4-Mandray ny maripanan’ireo mpandeha, ny mpamily ary manamarina fa manana sy mampiasa ny arovava « cache bouche » izy ireo.
5-Manome ireo toromarika hoan’ireo mpandeha ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina toy ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony, fanajana ny elanelana 1 metatra, fadiana ny misikotra orona, mikitika ny vava na mikosoka maso fa ireo no varavarana hidiran’ny tsimokaretina. Notsindriana manokana ny tsy maintsy handehanan’izy ireo avy hatrany any amin’ny CSB raha vao tonga ary indrindra ny fihibohana ao an-trano.

Arovy ny tenanao, arovy koa ny hafa
Araho hatrany ireo fepetra noraisin’ny fanjakana.