Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany 22 Jona 2020, ny « Centre kintana » izay « centre médical » faha telon’ny Fondation Akbaraly eto Madagasikara tao aorian’ny any Fianarantsoa sy Mahajanga.

Hisahana sy hikarakara ireo marary amin’ny ankapobeny ity ivo-toerana vaovao ity. Manana sampandraharaha hafa toy ny : « cancerologie, pédiatrie, allergologie, échographie » sy ny fizahampahasalamana momba ny tsy fanjariantsakafo ihany koa izy.

Amin’izao ady atrehan’ny firenena izao anefa dia ireo mararan’ny CORONAVIRUS izay tratran’ny atao hoe fahasaratona na « formes graves » ihany aloha no ho raisina ao.

Tonga nitsidika sy nanome voninahitra ny fitokanana ity ivo-toerana ity, ny avy eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay nahitana andriamatoa Tale Jeneraly sy andriamatoa Talen’ny kabinetra.