Taorian’ny Distrikan’i Besalampy dia nahazo ny anjara birikiny ihany koa ny Distrikan’i Maintirano amin’izao ady ataontsika handresena ny valanaretina « coronavirus » eto Madagasikara izao.

Fitaovana maro fitsaboana marary sy ho ampiasain’ny mpiasan’ny fahasalamana izay ahitana: « Radiographie numérique – Respirateur – Concentrateur d’oxygène – Surblouses – Combinaisons – Masques chirurgicaux – Masques FFP 2 – Sel – Lingettes – Gants » no natolotra tamin’izany.

Hita amin’izao fa tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mitady vahaolana handresentsika io valanaretina io.

Nampita vaovao: DRSP Melaky