4 353 769 200 Ar natolotry ny Governemanta Japoney ho entina hanampiana amin’ny ady amin’ny valan’aretina COVID-19 eto Madagasikara.nandritra ny lanona fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa TOLISABO II, sy ny fanolorana fitaovana fiarovana hoan’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny Alarobia 12 Aogositra 2020.

 

Ho fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 eto Madagasikara sy mba hanamafisana ny fahafahan’ny Firenena Malagasy miatrika izany ary indrindra noho ny hamehana ara- pahasalamana dia nanolotra vola natokana ho amin’ny tetikasa fampandrosoana ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny Gouvernementa Japoney.

 

Ireo fanampiana ireo dia natao  hisorohana sy hifehezana ny aretina, hanatsarana  ny fitsaboana ireo marary, hiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miatrika mivantana ny valan’aretina, hanaraha-maso ny valan’aretina ary hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo   ambaratonga samihafa amin’ny rafi-pahasalamana.

 

Ny distrika Ambovombe,  Tsihombe,  Beloha, ary Bekily ao anatin’ny faritra Androy; Ampanihy sy Betioky ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ;  Amboasary ao amin’ny faritra Anosy, ary ny faritra Analamanga sy Alaotra Mangoro, no hisitraka ny tombotsoa amin’ireo vola azo avy amin’ny governemanta Japoney ireo.

 

Mba hisian’ny mangaraha sy ny fitantanana ara-drariny ireo vola ireo dia hisy ny « comité de pilotage gouvernementale » hanara maso sy fampiasana ireo fanampiana ireo.