Ao anatin’ny fampitaovana sy fanomezana fotodrafitra manaraka ny fenitra hoan’ireo Tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy dia nihaona taminy solotenan’ny ONUDI Madagascar Ramatoa Vola Rakotondrazafy Andriatahina ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis ny harivan’ny 08 Septambra 2020.

Nandritra izany fihaoanana izany no nahalalana fa ho fanatsarana ny kalitao sy ny fahadiovana ary indrindra hamehezana ireny fako miparitaka eny anivon’ny hopitaly sy ny CSB ireny dia hisy ny fiaraha miasa amin’ny ONUDI, ka ao anatin’izany dia hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’ny fampitaovana sy fanohanana amin’ny « déchets médicaux » eny amin’y tobim-pahasalama mba ahafahana mitantana ireny fako ireny araka ny tokony ho izy ary indrindra ahafahana manaja ny tontolo iainana

Hisy arak’izany ny fitaovana manaraka ny teknolojia vaovao izay ho apetraka eny amin’ny hopitaly sy ny CSB, handorana ireny fako ireny. Tsy vitan’ny fampitaovana ihany anefa fa hisy ihany koa ny fampiofanana ireo olona mikirakira ireo fako eny amin’ireny tobim-pahasalamana ireny.
Ny tanjona amin’izany dia ny mba tsy himparitahan’ireny fako eny amin’ny tobim-pahasalama ireny indrindra amin’izao fisian’ny valanaretina covid-19 izao.

Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP