HERINANDRO VAOVAO FENO HERIJIKA INDRAY NO HIATREHAN’NY MPISEHATRA ARA-PAHASALAMANA REHETRA MANERANA NY NOSY MANOMBOKA ANDROANY.
Toy ny fanombohan’ny herinandro rehetra dia misy ny fananganan-tsaina izay tanterahina eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, tao anatin’izany no niresahana ireo asa vita tamin’ny herinandro lasa sy ireo asa izay miandry amin’ity herinandro vaovao ity. Nandritra izany ihany koa no niarahabana an’i Ramatoa, Rasamoelina Fanjambololoniaina Dominique, izay voatendry ho Sekretera Jeneraly ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Raha ny zava-bita nandritra iny herinandro iny no jerena amin’ny ankapobeany dia nisy ireo fivoriana sy atrikasa maro samihafa ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fahasalamana, nisy ihany koa ny fametrahana ny Centre de Santé « ami des jeunes » tao amin’ny District sanitaire Maevantanana, teo ihany koa ny fanarahamaso akaiky ny fanamboarana ireo hopitaly manarapenitra ary ny fanarahamaso ireo olona handray ny taxi-brousses teny amin’ny gare routière mba ho fisorohana amin’ny firongatry ny Covid-19.
Na dia efa betsaka ary ny asa vita tamin’ny herinandro dia mbola betsaka ny asa miandry amin’ity herinandro vaovao ity satria mbola maro ireo fivoriana sy atrikasa izay ho tanterahina.
Teo amparamaranana ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka no Naneho ny fankasitrahana ny Sekretera Jeneraly teo aloha tamin’ny asa vita rehetra ary nirary soa ny Sekretera Jeneraly vaovao izay nandray ny andraikiny nanomboka androany. Nisaotra ireo tale-paritra rehetra manerana ny Nosy ihany koa Izy amin’ny dingana lehibe nataon’izy ireo miaraka amin’ireo Médecin Inspecteur ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eny amin’ny toerana misy azy ireo.