COVID-19:
Ambulances tsy matahodalana miisa 06, no natolotrin’ny « Fondation BOA » sy ny « Madagascar International Container Terminal Services » hoan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, androany 14 Septambra 2020.
Nisolo tena ny fitondram-panjakana nandray ireo fiara ireo teny amin’ny CCI Ivato izay toerana misy ny CCO amin’izao fotoana ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka sady filoha lefitriny CCO, Profesora RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis.
Vonona hatrany ny Ministera handray sy handamina ireo fanomezana ireo mba tena hisy fiantraikany any amin’ny vahoaka ny fananana azy.
Ireto fiara ireto dia ho aparitaka any amin’ireo toerana saro-dalana, satria any no tena ilaina azy, amin’ny maha fiara tsy matahodalana(4X4) azy.
Nandritra ny lahateny izay nataony dia nanambara Andriamatoa Minisitra fa nohon’ny fahaiza mitantan’Andriamatoa Filoha, sy ny Praiminisitra dia nahitana fihenana ireo isan’ny olona voan’ny CORONAVIRUS, ary ireto fiara ireto dia hanampy betsaka amin’ny fandraisa antanana ireo marary.
Naneho ny fisaorany ireto mpiaramiombon’antoka ireto ihany koa Andriamatoa Minisitra amin’izao tolotanana ataon’izy ireo izao, satria ny fanana ireto Fiara tsy mataho dalana ireto dia hanome fahasalamana manaja ny maha olona hoan’ny vahoaka malagasy (Humanisation des Soins).
« Mbola mitohy ny ady amin’ny CORONAVIRUS ka ilaina ny fanomezan-tanana tahaka izao » hoy Andriamatoa Minisitra.
Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP