Akon’ny Fanangana-tsaina: 21 Septambra 2020
Ny avy eo amin’ny ACSQDA indray no nitondra ireo asa vitan’ireo sampandraharaha rehetra sy ireo miandry amin’ity herinando ity.
Anisany tena nisongadina tamin’izany ny akon’ny dian’Andriamatoa Minisitra sy ny ekipany tany amin’ny faritra, izay niarahany tamin’ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Tsapa tamin’izany ny fandraisana andraikitra eo no eo izay mipaka amin’ny fiainam-bahoaka mivantana. Ka noho izany dia hiova famindra ny Ministera manomboka izao ka hamafisina kokoa ny « suivi et contrôle » amin’ny fidinana ifotiny hitohizan’izay fanomezana tolotra maha-olona ny vahoaka ka hisy fiantraikana mivantana amin’ny fiainany.
Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana saingy ho raisin’ny Ministera araky ny lamina napetraky ny fitondrana ny fitohizan’ny ady. Ka dia manomboka androany ny lamina vaovao fiaraha-mientana amin’ny sampandraharaha rehetra eto anivon’ny ministera sy manerana ny nosy .
Herinandro vaovao, volana vaovao satria dia feno iray volana ny nandraisan’Andriamatoa Ministra ny fitantanana ny Ministerany Fahasalamam-bahoka ka dia ho fanatsarana ny fomba fiasa dia misy ireo singa 5 laharam-pahamehana nampatsiahiviny :
-Ny fanatsarana na fanorenana fotodrafitr’asa,
-Ny fampitaovana,
-Ny « ressources humaines »,
-Ny famerenana ny « humanisation des soins »,
-Ny ady amin’ny Kolikoly
Hafatra farany dia ny fanamafisana ny fahavonona ny tsirairay amin’ny asa fanompoana ny firenena ao anatin’ny fahamarinana.