Distrika 58 ao anatin’ny Faritra 13 misy an’ireo aretina ireo no nanaovana fizarana fanafody faobe dingana voalohany nandritra ny volana jona sy jolay 2020 lasa teo.
Ho fanaovana jeritodika sy tomban’ezaka mikasika ny vokatra azo tamin’ny dingana voalohany fizarana fanafody faobe io dia nisy ny atrikasa niarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (MSANP) sy ny Fikambanambe iraisampirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) ny 16 hatramin’ny 19 septambra 2020, tao amin’ny Hotely Ilo Manakambahiny/Ambohidratrimo. Hampahafantarina antsika eto ihany ny vokatr’ity tomban’ezaka sy jeritodika natao ity.
Nodinihina nandritra izao atrikasa izao ihany koa ireo fomba hanatsarana ny fanatanterahana ny Fizarana Fanafody Faobe dingana faharoa 2020.
Loharanom-baovao : Service des Maladies Endémo-Epidémique et Tropicales Négligées (SMEETN)/ DLMT/DGMP/SG/MSANP.