Maro ireo aretina voasokajy ho aretina notsinotsiniavina na « Maladies Tropicales Négligées » (MTN) noho izy tsy dia fahita intsony any amin’ny tany mandroso ; tsy fantatry ny vahoaka ka mahatonga azy ireo tsy hitandrina ; tsy laharampahamehan’ny tomponandraikitra sasany, ka mahatonga azy ireo tsy dia mandray anjara tandrify amin’ny fiadiana aminy. Mpahazo ary mampitondra takaitra olona maro anefa izy ireo, indrindra aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana.
Tsara ny manamarika fa misy sokajiny roa ireo Aretina Mifindra Notsinotsiniavina :
– Ireo aretina iadiana amin’ny alalan’ny fihinanana fanafody faobe: Bilarziozy, Ongobe, Sakoitra ary ireo kakan-tsinay.
– Ireo aretina iadiana amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana ireo tranga: Habokana, Parasy lafrika, haromontana, voavary ary ireo aretin-koditra samihafa.
Loharanom-baovao : Service des Maladies Endémo-Epidémique et Tropicales Négligées (SMEETN)/ DLMT/DGMP/SG/MSANP.
Sary: Fanehoana