Tsapa sy hita maso ankehitriny fa mahomby ny paik’ady rehetra napetraka hiadiana amin’ny valanaretina CORONAVIRUS, ao anatin’izany anefa dia tsy tokony hiraviravy tanana ny tsirairay hitazomana ny fahombiazana ka tsy tokony adinoina ny manohy ireo fihetsika sakana rehetra toy ny fanaovana arovava orona. Androany 06 Oktobra 2020, dia nanolotra « masque » ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka  ny avy eo amin’ny « Chambre de Commerce Chine-Afrique de Whenzhou (CCAW), izay mpiaramiombonantoka amin’ny « Fondation de l’amour éternel du Zhejiang ». Misy sokajiny maro ireo tolotanana ireto ka ao ny « masque » hoan’ny lehibe sy hoan’ny ankizy madinika ihany koa izay tena ilaina ho fiarovana eny anivon’ireny Tobim-pahasalamana ireny.

Nandritra izao fotoana izao ihany koa no nitondran’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, fanazavana momba ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo misy any atsimo, ka nanambarany fa ny anjaran’ny avy eto amin’ny Ministera dia ny mikaroka ireo olona izay azon’ny tsy fanjarian-tsakafo, eo ihany koa ny fandraisana an-tanana amin’ny alalan’ny fanomezana fanafody mifanaraka amin’izay tsy fanjariantsakafo izay. Tsy hoela dia hiverina hijery sy hanaramaso ny fizotry ny asa, ny vokatra ary ny fanitsiana tokony entina amin’ireo asa atrehin’ireo mpiasan’ny fahasalamana any antoerana Andriamatoa Minisitra.

Fantatra ihany koa fa nanolotra arovava orona miisa 22.000 hoan’ny Ministeran’ny Fampianarana, hanampiana ireo « surveillant » amin’ny fiarovany ny tenany mandritra ny fanalana fanadinana bakalorea ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP