Araka ny efa nambaran’Andriamatoa Minisitra, nandritra ny fananganan-tsaina ny Alatsinainy 12 Oktobra 2020, dia nidina ifotony any amin’ny faritra Atsimo izay misy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tenany sy ireo ekipa miaraka aminy.

Efa any Amboasary atsimo ny delegasiona ankehitriny,  ary tsy niandry ela fa vao tonga dia nisy ny fivoriana niarahany tamin’ireo solontenam-panjakana samihafa. Efa manomboka ihany koa ny  asa any ifotony ary anisan’izany ny « recensement », nisy ihany koa ny fijerena ny toerana eritreretina anaovana ny CRENIM

Nisy ihany koa ny valandresaka niarahana tamin’ny mpanao gazety nataon’Andriamatoa Minisitra

« Aty ifotony isika izao »  hoy Andriamatoa Minisitra.

Loharanom-baovao sy Sary : DGMP/MSANP, DRSP Anosy