Hiainga eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara anio maraina ny « Caravane médicale » na ilay « Diabe ara-pahasalamana » ho any amin’ny Faritra Atsimo ny Nosy iny.
Tolotra ara-pahasalamana maro samihafa no hatao mandritra ity hetsika izay hiaran’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny raharaha socialy sy ny politika.
Faritra telo (3) no hisitraka ny fandalovan’ireo fiarabe hombam-pitaovana ara-pahasalamana ireo, Faritra Vakinankaratra, Faritra Vatovavy Fitovinany ary ny Faritra Matsiatra Ambony.