Ny avy eo amin’ny « UCP » no nitondra ireo zava-bita nandritra ny herinandro lasa teo sy ireo vina ho tanterahina amin’ity herinandro vaovao ity.
Nisongadina tamin’izany ireo asa fitiliana sy fanisana ary fandraisana an-tanana ireo olona izay iharan’ny Tsifanjariantsakafo any Atsimo, izay notanterahin’Andriamatoa Minisitra sy ireo delegasiona miaraka aminy. Teo ihany koa ireo hetsika notanterahin’ireo « Direction » samihafa eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Taorian’izay dia nandray fitenenana Andriamatoa Talen’ny kabinetra ary notsindriany fa na dia foana aza ny hamehana ara-pahasalamana, isika avy eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana dia mbola voafehy ao anatin’ilay hoe « réquisition » satria mbola maro ny adidy sy andraikitra miandry antsika, raha tsy hilaza hafa tsy ny eo amin’ny « CNOSS » izay mbola amperin’asa tanteraka ary mbola mitohy ny fiandrasan-draharaha, araka ny toromarika avy amin’Andriamatoa Minisitra.
Mikasika ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo any atsimo dia hisy amin’ity herinandro ity ireo Tale avy eto amin’ny Ministera hanatevin-daharana ireo izay efa am-perinasa any an-toerana.
Sary sy Fanadihadiana: SCM/MSANP