Niavaka ny fananganan-tsaina androany satria dia tany amin’ny Laboratoara LA2M Androhibe ny Sekretera Jeneraly sy ireo tale samihafa eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka no nanangan-tsaina, izay nitohy tamin’ny fivorian’ny « Staff » notarihan-dRamatoa Sekretera Jeneraly, Dr RASAMOELINA Fanjambololoniaina Dominique, noho ny tsy maha eto an-dRenivohitra ny Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis. Ny talen’ny CACSU (Cellule d’Appui à la mise en œuvre de la Couverture Santé Universelle) kosa no nitarika sy nitondra fitenenana nitatitra ny asa vita nandritry ny herinandro lasa teo tao amin’ny Foibe an’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka teo Ambohidahy.
Raha ny teny Androhibe, dia hita taratra sy natao filamatra ny filaharana sy ny fanajàna ny iray metatra satria dia na efa andalam-paharesena ny valanaretina Covid-19 aza isika, dia tsy azo atao ambanin-javatra ny fihetsika fiarovana samihafa. Nanambara tamin’izany Ramatoa Sekretera Jeneraly fa ho atao matetika izao fananganantsaina sy fivorian’ny « staff » eny ivelan’ny Toeram-piasana Foibe izao.
Sary sy Fanadihadiana : DIRCOM/SCM- MSANP