Ny Centre Hospitalier de Référence Régionale (CHRR) Anosy no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana fametrahana fenitra arak’asa (mise en place de standard de service) izay nokarakarain’ny Bianco tany amin’ny faritra Anosy teo amin’ny sampandraharaham-panjakana misy eny an-toerana.
Ity fifaninanana ity dia miompana amin’ny fametrahana ireo fenitra sy fomba fiasa eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana, mba hialana amin’ny kolikoly sy gaboraraka.
Tafiditra tanteraka anatin’ny fanamby sy tarigetra apetraky Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis, Ministry ny fahalasamam-bahoaka amin’ny ady amin’ny kolikoly, izay laharampahamehana imasoan’ny fitondrana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ankehitriny.
Hita mivaingana izao ny vokatry ny asa ataon’ny Ministera amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Ny Centre Fiscal no nahazo ny laharana faharoa, ary ny Service des Mines no fahatelo.
Lahatsoratra : DIRCOM/SCM-MSANP