CHRR BONGOLAVA: NAHAZO FITAOVANA VAOVAO

Miroso hatrany amin’ny fanatsaràna ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiaramiombonantoka aminy ho fanatanterahana ny velirano fahadimy.

Nahazo fitaovana vaovao izay ahitana « table opératoire, scope de surveillance, tococardiographie, bistouri électrique, couveuse, table métallique, onduleur… » ny CHRR Bongolava, izay vokatry ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny JAPAN INTERNATIONAL COOPERATION SYSTEME (Sinus corporation).

Fampitam-baovao: CHRR Bongolava