Ambohidahy – 16 Aogositra 2021
Tontosa androany teto amin’ny foiben’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Ministra teo aloha, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, sy ny Ministra vaovao, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo. Tanaty firahalahiana tanteraka no nanaovana izany, notronon’ny fianakaviamben’ny Ministera sy ireo mpanao gazety.
Nisaotra ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra izay nampiakatra avo ny kalitaon’ny asan’ny Ministera ny Ministra teo aloha, ary niarahaba sy nitso-drano amin’ny andraikitra goavana izay ho sahanin’ny Ministra mpandimby azy.
Tamin’ny lahateny nataony, dia nanamafy ny Ministra vaovao, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny fanatanterahana ny Velirano faha-5 nataon’ny Filohan’ny Repoblika, dia ny Fahasalamana manakaiky vahoaka hatrany.
———
La passation de service entre le ministre de la santé publique sortant, le Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, et le nouveau Ministre, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo a eu lieu aujourd’hui au siège du Département en charge de la Santé. La cérémonie s’est déroulée en toute fraternité, en présence de la grande famille dudit Ministère.
L’ancien ministre a remercié tous les Agents de santé pour la qualité de leur travail et les efforts fournis. Aussi, il a tenu à féliciter son successeur et lui a souhaité plein succès pour ses nouvelles responsabilités.
Par contre, le nouveau ministre a accentué l’importance de la mise en œuvre du 5ème Velirano du Président de la République, pour le rapprochement des soins de santé à la population.
SCM/DirCom-MSANP