Toy ny mahazatra, mandritra ny fananganan-tsaina no fotoana iray entin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanaovana ny tatitry ny asa vita ny herinandro lasa sy ireo kinasa ho amin’ny herinandro ho avy. Ny fitaleavana misahana ny serasera no miandraikitra ny fanaovana izany tatitra izany araka ny lamina vaovao izay napetraka. Nanamarika iny herinandro lasa iny ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fizarana lay misy odimoka maharitra izay notanterahana tany amin’ny distrikan’ny Vangaindrano mialohan’ny nipakร n’izany manerana Ireo Faritra maro eto Madagasikara. ยซย Mbola tsy resy ny tazomokaย ยป hoy Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo raha toa ka nanazava amin’ny ambangovangony ireo asa maro miandry manoloana io ady io ny tenany . Nisy ny fidinana ifotony izay notanterahan’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tany amin’ny Distrika Arivonimamo, Faritra Itasy omaly Alahady, nijereny manokana ireo tobim-pahasalamana fototra miankina amin’ny fanjakana. Ankoatr’izay, nihaona tamin’ny ยซย Syndicat des Mรฉdecins Fonctionnaires de Madagascar na (SMedFM)ย ยป sy ny ยซย syndicat des Paramedicauxย ยป ihany koa ny tenany nandritra iny herinandro lasa iny ary ny ยซย Syndicat administratifย ยป no horaisiny manaraka araka ny lahateniny. Ilaina ny fanatsarana hatrany ny fomba fiasa ho fanatratrarana ny velirano faha dimy izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika ยซย fahasalamana ho an’ny daholobeย ยป hoy hatrany Andriamatoa Minisitra.