Noraisin’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, teto amin’ny Birao fiasany Ambohidahy, ny Masoivohon’ i Royaume-Uni miasa eto Madagasikara, SEM David William Ashley.

Ny mikasika ny Fiarahamiasa eo amin’ny sehatry ny Fahasalamana no noresahana nandritra izany, toy ny lafiny fanampiana sy fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto amintsika izay andraisan’ ny Royaume-Uni anjara amin’ny alalan’ny « Fond Mondial » sy ny « OMS ».
Nodinihana manokana ihany koa nandritra izao fihaonana izao ny mikasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, izay anisan’ny laharaham-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ho fanatanterahana ny velirano fahadimy. Ny fahaiza-mandamina ny fianam-pianakaviana tokoa mantsy dia isan’ny antoka iray mitondra any amin’ny fampandrosoana ny firenena.

SCM/DirCom-MSANP