🏥Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana an-tanana ny marary eo anivon’ireo hopitalim-panjakana sy hampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona , izay ao anatin’ny velirano fahadimy ary ho fanohanana ara-tsaina ireo nararin’ny covid 19 avy nanaraka fitsaboana, dia manatanteraka hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy tolo-kevitra ny sampandraharaha misahana ny aretina mifindra eo anivon’ny hopitaly CHUJRB Befelatanana.
👉Manomboka androany 01 septambra 2021 ka maharitra efa-bolana ny fanatanterahana ity hetsika ity izay misokatra ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka ka toy izao ny fandaminana mikasika izany araka ny nambaran’i Dr Volatiana ANDRIANANJA, Médecin Spécialiste Interniste :
⭕Andro fandraisana ireo olona hanao fizaham-pahasalamana : Alatsinainy ka hatramin’ny Zoma , amin’ny 02 ora ka hatramin’ny 05 ora tokandro.
⭕Isan’ny olona raisina : Ferana ho folo (10) isanandro ary miantso mialoha ny 034.92.063.39 na 034.14.204.08 ny maraina amin’ny 08 ora ka hatramin’ny 12 ora mialohan’ny hahatongavana any an-toerana ary ho entina ireo antontan-taratasy hahafahana manara-maso akaiky ny toe-pahasalamana.
SCM/DirCom-MSANP