Tontosa androany maraina ny famindram-pitantanana teo amin’ny DGFS teo aloha, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo izay lasa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ankehitriny sy ny DGFS vaovao, Dr Rado RAZAFIMAHATRATRA izay Talen’ny CHU Anosiala teo aloha, natrehan’ ireo tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nandritra ny fandraisany fitenenana dia nisaotra an’ Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ny Praiminisitra NTSAY Christian ary ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, nametraka fitokisana taminy andriamatoa Tale Jeneraly vaovao.

Ny DGFS moa dia fitaleavana jeneraly misahana ny fanomezana ny tolotra ara-pahasalamana eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary misy fitaleavana maromaro ao anatiny misahana ireo hopitaly lehibe, ireo hopitaly eny amin’ny faritra sy distrika, ireo CSB ambaratonga voalohany sy faharoa, misahana ihany koa ny ampahany amin’ny fanofanana mpampivelona sy infirmiera.

Misy ihany koa fitaleavana ao anatiny manaramaso ny kalitaon’ny fitsaboana eto Madagasikara, misy ihany koa sampan’asa manome, manangona ny atao hoe fotodrafitr’asa entina mitsabo eto Madagasikara, ao ihany koa ny fitaleavana misahana ny famatsiana ara-pitaovana sy fikirakirana ny antontan’isa.

SCM/DirCom-MSANP