#CHRD_MORAMANGA:
« Mendrika ny vahoaka ny fanomezana azy ireo ny fahasalamana ara-kalitao sy manaja ny maha olona rehefa mamonjy ny toeram-pitsaboam-panjakana izy ireo » hoy ny Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIMANATANY Zely Arivelo, raha nitsidika ny Hopitaly CHRD Moramanga ny tenany anio.
Ezaka amin’izao fotoana izao hoy hatrany Andriamatoa Minisitra ny hahatonga ny Malagasy hanana fitokisana amin’ny mpitsabo eny anivon’ny toeram-pitsaboam-panjakana satria manana ny fahaiza-manao ny mpitsabo rehetra. Ary efa mametraka ny fitaovam-pitsaboana mendrika ny vanim-potoana ankehitriny ny fitondram-panjakana tarihan’ny Filohampirenena, RAJOELINA Andry amin’izao fotoana ho fanatanterahana ny velirano faha-5 dia ny fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka.

Hamafisana hatrany ihany koa ny fahaiza-mandrindra sy mandamina ny toeram-piasana, dia ny fampiharana ny 5S eny anivon’ny toeram-pitsaboam-panjakana manerana ny Nosy.

Tatitra: SCM/Dircom/Msanp