Mitohy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana, anisan’izany ny fanamafisana ny fenitra ara-tsakafo ho an’ny vahoaka.

Misy arak’izany ireo fifanarahana arak’asa iarahan’ny Ministera sy ireo mpiara miombon’antoka aminy, dia ny Vondrona Eoropeana, ny ONG GRET, ny ONN ( Office National de la Nutrition) ary ny BNM ( Bureau des Normes de Madagascar ). Nisy arak’izany ny famatsiana solosaina sy kojakoja mifanaraka amin’izany, izay ho ampiasain’ny BNM sy ny ACSQDA hampizotra antsakany sy andavany ny asa fanaraham-penitra izay iantsorohan’izy ireo.

Sary sy fanadihadiana : DIRCOM/SCM