Nitsidika nijery ny CHRD eto Vatomandry ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalama manaja ny maha olona io folakandro io niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny kabinetra sy ny Talen’ny Fitaliavana misahana ny Famindrana rà eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Tsikaritra nandritra ny fitsidihana fa mbola mitana amin’ny maha Hopitaly fitaratra azy ity CHRD ity satria dia voahaja avokoa ireo fepetra rehetra takiana amin’ny fanomezana tolotra ara-kalitao sy manaja ny maha olona, raha tsy ilaza ireo fitaovana manaraka ny fenitra, ny tolotra manaja ny maha olona, indrindra fa ny ady amin’ny kolikoly.