Velirano faha-5 nifanaovan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny vahoaka Malagasy ny « Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ».

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miandany izany Velirano izany, ary mametraka ho laharam-pahamehana ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana manaja ny maha olona sy manakaiky ny vahoaka hatrany. Isan’ireo mpiaramiombonantoka akaiky amin’ny Ministera amin’ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana manatratra io vina io eto Madagasikara ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID izay namolavola ny tetik’asa ara-pahasalamana USAID ACCESS.

Nanolotra fitaovam-pitsaboana maro ho an’ny tobim-pahasalamana manerana ny faritra Boeny sy Sofia ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID ACCESS, ary notanterahina tamin’ny fomba ofisialy androany tao Mahajanga ny lanonana fanolorana. Tonga nanotrona sy nandray ireo fitaovana ny Talem-pahasalaman’ireo faritra roa tonta misitraka izany, teo ambany fiahian’ny Governoram-paritra SOFIA, ny Jeneraly Lilyson, sy ny Tale lefitry ny USAID ACCESS.
Mitentina 1,5 Tapitrisa dolara ireo fanolorana, izay ahitana kidoro miisa 200 sy karazana fitaovana medikaly, ary raha ny eo amin’ny faritra Boeny dia hisitraka izany avokoa ireo tobim-pahasalamam-panjakana rehetra eny an-toerana, isan’izany ny CHRD, ny CHU ary ireo CSB manenika ny faritra, araka ny nambaran-dramatoa Talem-pahasalaman’ny Faritra Boeny, Dr HOASY Solange.

Taorian’ny lanonana dia nisy ny fitsidihana ifotony CSB II iray tao amin’ny faritra Boeny, dia ny CSB II Antanambao, ao amin’ny Distrika Marovay. Nijery ny zava-bita amin’ny fanorenana ny CSB izay niarahan’ny Ministera sy ny USAID ACCESS nisalà.
Azo antoka fa manara-penitra sy manome fahafaham-po ny mponina manodidina, indrindra eo amin’ny lafiny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny ady amin’ny tazomoka ary ny fanatsarana ny fandrindram-piterahana izany foto-drafitr’asa izany.

#MISAOTRA_NY_USAID_ACCESS #RAFI_PAHASALAMANA_MATANJAKA_NO_TANJONA

——————-

REGIONS BOENY ET SOFIA :
DON DE MATERIELS MEDICAUX POUR LES CENTRES DE SANTE

En application du Velirano 5 du Président de la République, qui est « la santé pour tous, et pour tous les âges », le Ministère de la Santé Publique concentre ses efforts sur les offres de soins humanisés et à proximité du peuple, pour un système de santé efficace et efficient. Parmi les partenaires les plus assidus du Ministère figure l’USAID, qui a concocté le programme USAID ACCESS dédié à la Santé Publique Malagasy.

Les régions Boeny et Sofia ont bénéficié d’un don de divers matériels médicaux, d’une valeur de 1,5 millions USD, et destinés aux centres de santé implantés dans ces deux régions.
La cérémonie de remise des dons s’est déroulée ce jour à Mahajanga, en présence des deux Directeurs Régionaux de la Santé Publique des deux régions sus-cités, et du Gouverneur de la Région Sofia, le Général Lilyson, venu rendre honneur à la cérémonie de remise des dons, aux côtés des responsables de l’USAID ACCESS.

En marge de la cérémonie, une visite d’un des CSB de la région Boeny s’imposait, dont le CSB Antanambao, dans le district de Marovoay. Ce fut l’occasion de constater les efforts fournis par le Ministère de la Santé Publique, avec l’appui de l’USAID ACCESS, dans la rénovation et la fortification des acquis en matière de prise en charge et de qualité de services au sein dudit CSB. La satisfaction générale affichée par les usagers du centre a donné raison au Ministère, dans sa politique de mise en place d’un système de santé efficace et efficient, humanisé et plus proche des citoyens.

#SANTE_POUR_TOUS_ET_A_TOUT_AGE