Mitohy ny fampitaovana ny Tobimpahasalamana miankina amin’ny fanjakana izay imasoan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiaramiombonantoka aminy ho fanatanterahana ny Velirano faha-5 izay nataon’ny Filohampirenena Andry Rajoelina amin’ny fanatsarana ny foto-drafitrasam-pahasalamana mendrika ho an’ny vahoaka Malagasy.
Isan’ ireo nisitraka izany ny CHRD Marovoay izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpiaramiombonantoka USAID ACCESS.
Tonga tany an-toerana ny harivan’ny 26 septambra lasa teo ireo fitaovana ireo.
Sary sy fampitam-baovao: CHRD Marovoay