๐— ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ, ๐Ÿญ๐Ÿญ ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐˜๐˜€๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฎ | Tontosa androany tao an-drenivohitry ny Faritra Menabe ny fanombohana ofisialy ny Tetikasa MIAROVA na Miaro Antsika rehetra amin’ny Tranga misy fahasarotana ny vaksiny.

Fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiara-miombon’antoka ho fanamafisana ny ady amin’ny covid-19 eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny ireo olona 18 taona no mihoatra.

Tonga nitarika sy nanome voninahitra izany, Dr YASMINE Lethicia Lydia, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, notronin’ireo Olomboafidy sy Manampahefana izay nahitana an’ Andriamatoa isany, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Morondava, Governoran’ny Faritra Menabe, Prรฉfet Menabe, Ben’ny tร nana mpisolo-toerana ny kaominina Morondava Renivohitra , Tale-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Menabe.

Natolotra nandritra izao hetsika izao ihany koa ireo vata fampangatsiahana fitahirizana vaksiny, mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 07 (Frigo solaire) anjaran’ny faritra Menabe.

Ny hahavitana vaksiny ireo olona rehetra 18 taona no ho miakatra, izay maneho ny 50.50 isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara no tanjon’ny Tetikasa MIAROVA, eo ihany koa ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana eto amintsika amin’ny alalan’ny famatsiana fitaovana ireo Tobimpahasalamana sy ny Mpiasan’ny Fahasalamana.

#MIAROVA

#ANDAO_HANAO_VAKSINY

@Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka

@Banque mondiale Madagascar

: SCM/DIRCOM-MSANP