ยซย ๐— ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—น๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐˜‡๐—ผ๐—บ๐—ผ๐—ธ๐—ฎย ยป, no lohahevitra novoizina nandritra ny lanonana famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa TIP TOP/JHPIEGO sy ny famindram-pitantanana ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka hiahy manokana sy handray an-tanana izany manomboka izao, izay notanterahina tao amin’ny tokotany malalaky ny CSB2 Tsianisiha, distrikan’ny Toliara faharoa, faritra atsimo andrefana.

Ny Tetikasa TIP TOP dia fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiara-miombonantoka JHPIEGO ary niompana bebe kokoa amin’ny fiarovana ny vehivavy bevohoka manoloana ny aretina tazomoka, izay mifanindran-dalana rahateo amin’ny fanatanterahana ny Velirano fahadimy, teboka voalohany.

Nandritra izay dimy taona nisiany izay dia maro ireo vehivavy bevohoka nisitraka sy nahazo tombontsoa tamin’ny Tetikasa na ara-pitaovana na ara- pahasalamana. Anisan’izany ireo vehivavy bevohoka ao amin’ireo kaominina 26 sy fokontany 296 mandrafitra ny distrika Toliara faharoa, faritra Atsimo Andrefana.

Nialoha izao famaranana ofisialy izao dia nisy ny fidinana ifotony sy fanadihadiana teny anivon’ireo Tomponandraikitra ara-pahasalamana samihafa nanaovana tomban’ezaka ny Tetikasa.

Fahombiazana no azo ilazร na ny tetik’asa nandritra izay dimy taona izay, ary nisy ny fanolorana mari- pankasitrahana sy fitaovana ho an’ireo CSB sy ireo mpanentana ara-pahasalamana izay niantsehatra tamin’ity Tetikasa ity.

Tomponandraikitra ambony sy Manampahefana isan-tsokajiny avy aty amin’ny Ministera foibe sy avy ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ary avy amin’ny Mpiara-miombonantoka JHPIEGO no tonga nanome voninahitra izao lanonam-pamaranana izao.

Ankoatr’izay dia nisy ihany koa ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny covid-19 sy ny fanentanana maro samihafa izay nentina namaranana ny fotoana.

#Malagasy_tsy_ho_fatin_ny_tazomoka

#TIP_TOP

@Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka

@Jhpiego Madagascar

: SCM/DIRCOM-MSANP