๐—”๐—ž๐—ข๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—š๐—”๐—ก๐—”๐—ก-๐—ง๐—ฆ๐—”๐—œ๐—ก๐—”
๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ต๐—ถ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐˜†, ๐—”๐—น๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐˜† ๐Ÿฎ๐Ÿญ ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐˜๐˜€๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฎ –
Miditra aminโ€™ny famitana sy fanatrarana ny tanjona ankehitriny ny Fitondram-panjakana, hampihatra izany avokoa ireo Andrim-panjakana sy ny Ministera rehetra mba tsy hisy na dia iray aza Distrika adino ao anatinโ€™ireo velirano 13 izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.
Vaovao lehibe nisongadina taminโ€™iny herinandro iny ny fanavaozana ny mpikambana teo anivonโ€™ny Governemanta. Voatendry hanohy ny fitantanana ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka ny Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ary androany no niarahabana sy nirariana soa azy.
Naneho fahavononana hatrany ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra hanohy ny asa efa natomboka sy nikelezana aina ho fanatanterahana ny Velirano fahadimy, ยซย Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona.ย ยป
Anisan’ny nanamarika iny herinandro lasa iny ihany koa ny fitokanana ny CSB II manarapenitra ao aminโ€™ny Kaominina Ambanivohitra Betampona, Distrikanโ€™i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo; izay teo ambany fitarihan’ny Filohanโ€™ny Repoblika, Andry RAJOELINA.
Nambaran’ Andriamatoa Minisitra nandritra ity fananganan-tsaina androany ity fa mandritra ny enim-bolana (6) manaraka dia hamafisina ny fametrahana ny โ€˜โ€™Normes et Standards de serviceโ€™โ€™ manerana ireo birao sy toeram-piasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manerana an’i Madagasikara, ary apetraka ho fitaratra aminโ€™izany ny Ministera foibe.
Nanentana ny rehetra hanohy hatrany ny fanajana ireo fepetra sakana Andriamatoa Minisitra na dia efa hita taratra aza ny fihenanโ€™ny antotanisa isan-kerinandro mikasika ny trangan’ aretina covid-19.
Fanampiny, eo amin’ny lafiny fanatanjahantena dia voahosotra ho Tompondakan’i Madagasikara taranja ยซย CROSS-COUNTRYย ยป izay natao tany Manakara ny 12 martsa 2022 lasa teo i RALISY Nirina Marth avy amin’ny Klioba 3FB. Nampahafantarina androany ity Atleta sangany izay nitondra avo ny fanevan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ity.
Mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP
+2