โœ… Herinandro vitsivitsy taorian’ny fitsidihan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny Distrikanโ€™Anosibe an’Ala izay nitsidihany ny CHRD ๐Ÿฅ ary nampanantenainy ยซย Radiographie Numรฉriqueย ยป ho anโ€™ity hopitaly ity dia tanteraka soa aman-tsara izany ankehitriny, ka ny 04 Aprily 2022 lasa teo no nanatanterahana ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ity fitaovam-pitarafana ๐Ÿ‘raitra dia raitra ity.
โœ… Tonga nanome voninahitra izany ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ary ny vahoaka ao amin’ny Distrikanโ€™Anosibe anโ€™Ala.
๐ŸŽฏ Ezaka manokana mba hahazoanโ€™ny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy akaiky ny vahoaka izao tontosa
izao, sady ho fanatanterahana rahateo aminโ€™ny Velirano fahadiminโ€™ny Filoham-pirenena : ยซ Fahasalamana ho anโ€™ny rehetra, tsy anavahana sokajin-taona ยป. Vahoaka marobe no hahazo tombontsoa aminโ€™ny fisianโ€™ity fitaovana fitarafana vaovao sy avo lenta ity manomboka izao.
๐Ÿ™ Nankasitraka izao fanomezana izao ny vahoaka sy ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana satria afa-pahasahiranana izy ireo ary tsy voatery mandeha lavitra be intsony vao afaka hisitraka izany.